HANAO TOPIMASO
NY HEVI-DALIN’NY HEBREO 11 BOKY IZAY METY HANOKATRA NY SAINAO SY NY FONAO MBA HIFIKITRA SY HITOKY AMIN’ ANDRIAMANITRA
Avy nieritreretinao ve ny halalin’ny HEBREO TOKO FAHA-11? Sa variana amin’ny famakiana azy fotsiny, ka mijery ireo tantaran’ireo olon’ny finoana izay voalaza amin’ny antsipiriany madinidinaka ireo, dia Abrahama, Enoka, Noa, Mosesy, Davida, Rahaba … ? Mety hahatalanjona anao ny fahatsaran’ity toko ity raha toa ka mandinika azy lalina tsara ianao. Atolotray anao ity boky izay novokarin’ny HIANATRA BAIBOLY.✨ IREO HEVITRA LALINA IZAY HO HITANAO AO :
👉 Ny tena dikan'ny "Finoana" (Hupostasis)👉 Fihavanana lalina amin'Andriamanitra
👉 Ny hery azo amin’ny alalan’ny fankatoavana.
👉 Ny fitazonana ny finoana manoloana ireo fotoan’ny fahoriana sy ny fahanginan’Andriamanitra manoloana ny olona izay sedrainao.
🎯 NY LANJAN’ITY BOKY ITY?
Ity boky ity dia tsy teoria fotsiny, fa:
✅ Manome torolalana azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro.
✅ Hanampy anao handresy ny fisalasalana sy ny tebiteby rehefa mangina Andriamanitra.
✅ Hanamora sy hanamafy ny lova ara-panahy havelanao ho an'ny taranakao.
✅ Hazava aminao fa ny fiainanao ankehitriny dia toko farany amin'ny tantaran'ny finoana nosoratan'ny Lanitra!
💡 IZA NO MILA ITY BOKY ITY?
✅ Mpitondra fivavahana
✅ Mpitoriteny sy mpampianatra Soratra Masina (Sekoly Sabata na Sekoly Alahady)
✅ Ny olona maniry ny hanitatra ny fahalalana amin’ny fahaizana sy fandalinana ny soratra Masina.
💡 MOMBAMOMBA ILAY BOKY
o Boky PDF azo vakina amin’ny finday, tablette ary ordinatera
o Nosoratana amin’ny teny Malagasy sy misy antsipiriany mazava manoloana ny andininy tsirairay.
o Boky misy pejy miisa 28
o Vidiny : 10 000 ariary




0 Reviews