BOKY KAOMANTERA MOMBA NY EPISTILY VOALOHANY HO AN'NY KORINTIANA

BOKY KAOMANTERA MOMBA NY EPISTILY VOALOHANY HO AN'NY KORINTIANA

Size

HANAO TOPIMASO

BOKY KAOMANTERA 1 KORINTIANA

 

BOKY KAOMANTERA MOMBA NY EPISTILY VOALOHANY NOSORATAN’I PAOLY HO AN’NY KORINTIANA

Momba ity Boky ity

Ity boky ity dia boky nosoratana amin’ny teny Malagasy mazava izay mitondra fampianarana sy fanazavana ny Bokin’ny Korintiana voalohany amin’ny fomba mazava sy mirindra. Ny Boky etoana dia niainga avy tamin’ny fandalinana sy fikarohana lalina dia lalina tokoa, ary natao fanadihadiana mba hijerena ny fahamarinany momba ny tenin’Andriamanitra.

Mitondra fanazavana izay nalahatra isaky ny toky izany ary ny namarabarahana ny fanehoana ny hevitry ny andininy tsirairay mba ahazoana fahalalana ny Soratra Masinamazava tsara.

Ambaran’ity boky ity ato ny antsipiriany momba ny tanana malaza lehibe fahiny izay antsoina hoe Korinto, izay tanana ngeza sy be mponina ary falehan’ny olona mpila ravinahitra noho ny lazany amin’ny ara-barotra. Tanana lehibe, foibem-barotra, no sady tanana itoeran’ny fakam-panahy manoloana ny firaisana ara-nofo sy ny fahalotoan’ny fitondran-tenan’ny olona ao an-toerana sy ny tompotanana.

Amin’ny alalan’ity boky ity, dia ho azonao an-tsaina tsara ny maha mpitarika fiangonana mahay an’i Paoly sy ny fomba nataony mba hitondry ny fiangonana manoloana izany fakam-panahy mahery vaika mianjady amin’ny mpino tao Korinto izany. Ary ambarany aminao koa ny fomba hiainana sy hialana amin’ny fakam-panahy maro samihafa izay mianjady amin’ny fiainana ankehitriny.

INONA AVY IREO VOTOATY SY LOHAHEVITRA HO HITANAO AMIN’ITY BOKY ITY?

Ity fanehoan-kevitra ity dia mandrakotra amin'ny fomba tsara sy ara-dalàna an’ireo toko sy andininy rehetra ao amin'ny 1 Korintiana:

1. Firaisana sy Fifandirana niseho tao amin'ny Fiangonana (Toko 1–4):

Ho hitanao ato ny fomba namahan’i Paoly izany olan’ny fiangonana izany dia ny momba ireto:

Ny valin'ny fizarazarana vokatry ny fanarahana mpitarika (Paoly, Apolosy, Kefasy).

Ny fampitahana ny fahendren'izao tontolo izao sy ny fahendren'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana.

Ny toetra marina tokony hananan'ny mpanompo sy ny maha-tempolin'Andriamanitra ny fiangonana.

2. Ny Fitondran-tena, ny Fahadiovana ary ny Fitsarana (Toko 5–6):

Ho hitanao ato ny torohevitr’i Paoly manoloana izany, dia manoloana ireto:

Ny fomba handosirana ota sy ny fijangajangana eo anivon'ny fiangonana.

Ny torolalana momba ny Kristianina sy ny fitsaram-bahoaka.

Ny maha-tempolin'ny Fanahy Masina ny tenan'ny Kristianina sy ny antso ho amin'ny fahadiovana ara-nofo.

3. Fanambadiana, Mpitovo, ary Fahasamihafan'ny Toe-javatra (Toko 7):

Torohevitra feno fahendrena momba ny fanambadiana, ny firaisana ara-nofo eo amin'ny mpivady, ny mpitovo, ary ny fisaraham-panambadiana.

4. Lohahevitra mahaleo tena rehetra (Toko 8–16):

Ny fihinanana hena naterina amin'ny sampy, ny fanomezana ara-panahy, ilay Agape (Fitiavana ny Toko 13), ny faminaniana sy ny fiteny tsy fantatra, ary ny fampianarana lehibe momba ny Fitsanganana amin'ny maty.

IZA NO NANOMANA ITY BOKY?

Ny mpitondra fivavahana, ny olona any amin’ny toeram-panomanana ho mpitandrina, ny mpitoriteny ao amin’ny fiangonana, ny mpitarika ny fampianarana na Sekoly Sabata izany na Sekoly Alahady, ny olana maniry ny hahalala ny Soratra Masina sy vahoaka Kristiana tsy ankanavaka.

Nahoana no Tokony Hividy sy Hamaky Ity Boky Ity Ianao?

Hazavainy amin'ny Fomba Tsotra sy Lalina ny Soratra Masina: Mampiasa fiteny mora azo mba hanampiana ny mpamaky hahazo ny hevitry ny andininy tsirairay sy ny fototra ara-tantara.

Fitaovana azo entina eny rehetra eny satria vakiana amin’ny finday sy fitaovana elektronika ihany.

Azo iainana an'ny Fiainana Ankehitriny ny votoaty sy ny fanazavana: Manome vahaolana ara-tsosialy, ara-panahy, ary ara-pitondran-tena amin'ireo olana miverina matetika eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fiangonana ankehitriny.

120 PAGES 

VIDINY : 15 000ariary

0 Reviews